<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><lyrics>[V1]
 O, ry Mpamonjy, avia Hianao,
 Indro misento ny fonay izao ;
 Ny alahelo mamely anay,
 Koa mitady Anao izahay !
 Iza no aron'izay ory fo ;
 Sady mpanampy ny mana-
 manjo
 Fa tsy ny Tompo mahery
 sy to ?
 Dia Hianao, Izay be indrafo.

[V2]
 Jeso Mpamonjy ô, mba
 iantrao,
 Izay malahelo miantso Anao !
 Ny mitomany tsy hitanao va ?
 Fantatray fa Hianao tsy handà
 Dia manatòna ka mba mijere
 Ny ranomaso izay mitete !
 Fa Hianao no mahay manome
 Fampiononana be dia be.</lyrics>
<title>O, ry Mpamomjy avia Hianao FFPM662</title>
<hymn_number>662</hymn_number>
</song>